# | ces | mlg |
---|
1 | Vaření v obléhaném Homsu, Sýrie | Syria: Fikarakaràn'ny Homs Sakafo Anaty Fahirano |
2 | Zpráva byla původně zveřejněna na serveru Syria Untold. | Navoaka voalohany tao amin'ny Syria Untold ity lahatsoratra ity. |
3 | Homské karbanátky, obklíčené cukroví, houževnatá pizza… Takto své pokrmy nazývají obyvatelé města Homs, jehož dvouleté obléhání je donutilo jíst cokoliv, co je k sehnání. | Hamburgers Homs, mofomamin'ny fahirano, pizza maozatra… Ireo indray izao no fomba iantsoan'ny vahoaka Homs ny sakafon-dry zareo tato ho ato, 24 volana niainana fahirano nanery azy ireo hihinana izay azony raisina. |
4 | Počínaje trávou rostoucí u okrajů silnic a konče želvami, ptáky a hmyzem, lidé v Homsu překonali sobě vlastní tvořivost a bezstarostnost, pro něž jsou proslulí. | Miainga amin'ny bozaka maniry eny amoron-dàlana ka hatramin'ny sokatra, vorona ary bibikely, tongan-dry zareo Homs amin'ny haavo hafa mihitsy ny làzan-dry zareo amin'ny fahaiza-mamorona sy ny tsy fakàna sarotra amin'ny fiainana. |
5 | Tradiční syrský manákíš připravený v obléhaném městě Homs. | Mofo “manaqish” nentim-paharazan'ny Siriana, nokarakaraina tao amin'ny tanàna Homs iharan'ny fahirano. |
6 | Zdroj: Meals Under Siege, Facebook | Loharano: Pejy Facebook “Meals Under Siege” (Sakafo iharan'ny fahirano) |
7 | Co jíst, když jste v obležení | Sakafo iharan'ny fahirano |
8 | V dubnu 2014 byla na Facebooku založena stránka pod jménem “Meals under the siege”, sloužící jako diskuzní fórum na téma, jak se vypořádat se snahou režimu o to, aby si podrobila lidi jejich vyhladověním. | Ny Aprily 2014, noforonina ny pejy iray ao amin'ny Facebook ary nomena anarana hoe “Meals under the siege”, ho toy ny sehatra iray ifanakalozan-dresaka momba ny fomba hiatrehana ezaky ny fitondrana hanao izay hahamosarena ny vahoaka mba handemena azy. |
9 | Dodávky mouky, rýže, pšenice a veškerých základních potravin, které jsou obvykle součástí každé syrské kuchyně, byly pro stovky tisíc obyvatel obléhaných čtvrtí zastaveny. | Lafarinina, vary, varimbazaha, ary izay vokatra fototra rehetra hita hatry ny fahagola tany an-dakozian'ny Siriana tsirairay tany no nosakanana tsy ho an'ireo mponina an'aliny ao amin'ireo faritra natao fahirano. |
10 | Někteří se s předvídavostí zásobili trochou základních potravin, ale i jim zásoby rychle docházejí. | Ho fialohavana làlana ny fahirano, nanangona sasantsasany tamin'ireny vokatra fototra ireny ny sasany tamin'ny mponina, saingy vetivety ihany dia lany ireny. |
11 | Obyvatel Starého Města v Homsu říká: „Praví se, že nouze je matkou vynalézavosti. | “Renin'ny fahaiza-mamorona ny filàna, hoy izy ireo,” lehilahy iray monina ao amin'ny tanàna tranain'ireo Homs no nilaza izany tamin'ny Syria Untold. |
12 | Tak se tady snažíme připravit manákíš s čímkoliv, co se nám podaří sehnat, včetně těchto semínek, které jsme našli, ale nemůžeme se shodnout, jestli je to koření nebo hena.” | “Eo indrindra isika izao, manandrana mikarakara ny manaqish amin'izay zavatra hitanay izahay, isan'izany itony voamaina hitanay itony saingy tsy mbola mampitovy hevitra anay ny hoe hanitra ve izy itony sa henna”. |
13 | Dodává: „Tak jako tak, přidáte špetku soli a … dá se to jíst!” | “Na izany na tsy izany, asianao sira kely fotsiny, dia …azo hanina!”, hoy izy manampy. |
14 | Nouze donutila obyvatele obléhaných částí také k požívání jakéhokoliv zdroje bílkovin, který se dal najít, včetně želv, ptáků či hmyzu - poživatin, které na syrském jídelníčku nikdy nefigurovaly. | Natosiky ny filàna ihany koa ireo mponina any amin'ireo faritra iharan'ny fahirano ireo mba hihinana izay loharano-nà proteina hitan-dry zareo. Tafiditra amin'izany ny sokatra, vorona ary bibikely, izay tsy tao anaty hainahandro Siriana velively tany aloha tany. |
15 | Ragú s fíky a plody mišpule. | Laoka vita avy amin'ny fangaro-nà figue sy nèfle . |
16 | Zdroj: Meals Under Siege, Facebook | Loharano : pejy Facebook “Meals Under Siege” |
17 | „Uvaříte želví maso a jako přílohu přidáte plody mišpule a fíky nebo to můžete připravit jako polévku. | “Ampangotrahanao ny henan-tsokatra, ary avy eo ampiana nèfle sy figue, na mikarakara azy ho toy ny lasopy. |
18 | Želví maso je za daných podmínek skutečně výborné.” | Raha ny marina, tena tsara mihitsy ny henan-tsokatra amin'ny toe-draharaha tahaka izao.” |
19 | Ukázalo se, že znalosti v oblasti kreativního vaření získané obyvateli v obléhaném Homsu se hodí i lidem z jiných, podobně stižených lokalit. | Ny fahafehezana azon-dry zareo Homs eo amin'ny sehatr'ity fahaiza-mamorona hainahandro rehefa iharan'ny fahirano ity dia lasa zavatra iray ilain'ireo mponina any amin'ny faritra hafa ao Syria iharan-javatra tahaka izao ihany koa. |
20 | Připravené pokrmy jsou vyfoceny a každodenně sdíleny na Facebooku, aby se i jiní mohli inspirovat a využít to malé množství surovin, které mají k dispozici. | Nalaina saripika ary nozaraina ao amin'ny Facebook ireo sakafo nokarakaraina isanandro, mba hahafahan'ny hafa maka hevitra sy mampiasa ireo zavatra kely eo an-tànany. |
21 | Obyvatelé Homsu se ke své situaci vyjadřují se svým věhlasným smyslem pro humor: „Zrovna jsem připravil tak malého ptáčka, že si nejsem jist, jestli to bylo zvíře nebo koření.” Anebo: „Kamarád mi právě řekl, že s ním mluvila jeho vinná réva a sdělila mu, že se její listy, potom, co viděly, co se stalo jejich sousedům, bojí vyrašit.” | Tsy mivadika amin'ny lazan-dry zareo hoe tsy maka sarotra, milaza ny toe-draharaha iainany ireo mponina Homs ary arahany fanehoankevitra toy ny hoe “Vao avy nikarakara an'ity voronkely ity indrindra aho izao saingy kely loatra lery ka tsy haiko izay hilazàna azy na biby izy ity na ho hanitra fanomezana tsiro”, ary “Niteny tamiko ny namako iray hoe nilaza taminy ny hazom-boalobokany ka niteny fa matahotra ny hivoaka ireo ravina, taorian'ny nahitàny ny nanjo ny mpifanolo-bodirindrina taminy.” |
22 | Zdolání každé překážky | Mandingana ny sàkana rehetra |
23 | Vnějšímu pozorovateli se psychologická bariéra, kterou je nutno prolomit, aby člověk dokázal sníst to, co nikdy za jedlé nepovažoval, zdá těžko překonatelná. | Ho an'ny mpitazana ety ivelany, ny sàkana ara-tsaina izay ilaina tapahana mba hahafahana mihinana zavatra iray tsy noheverina velively ho fihinana dia toa mafy tokoa ny handinganana azy. |
24 | Obléhaní Syřané ji už však překonali. | Saingy ho an'ireo Siriana iharan'ny fahirano dia nihoarany lavitra io teboka io. |
25 | „Když máte hlad, žádná psychologická bariéra ohledně poživatelnosti jídla neexistuje.” | “Rehefa noana ianao, tsy misy sàkana ara-tsaina izany manoloana izay zavatra rehetra azo hanina.” |
26 | Tvořivost a důvtip pomáhají lidem v obležení, aby nepodlehli taktice režimu, kterému jde o jejich vyhladovění. | Ny fahaiza-mamorona sy ny tsy fivakiana loha dia manampy ireo olona iharan'ny fahirano hanohitra ny politikan'ny fitondràna manao izay haha-mosarena azy ireo. |
27 | Ale i ta troška surovin, kterou se jim podařilo najít, dochází. | Nefa na dia ireo sakafo zara raha nisy notantanan-dry zareo aza efa manomboka ho lany. |
28 | V odpověď na otázku o této situaci je nám řečeno: | Rehefa anontaniana momba io, dia hoy ny valintenin'ilay mpanome vaovao anay: |
29 | „O budoucnosti opravdu přemýšlet nemůžeme. | “Tsy afaka misaina afa-tsy ny anio aloha izahay. |
30 | Nevíme, co se stane zítra, ale všimli jsme si, že kdykoliv si myslíme, že zásoby došly, najdeme k jídlu něco jiného. | Izay hitranga rahampitso, tsy fantatray, nefa rehefa misaina izahay hoe tapitra tsy misy tavela intsony ny tahiry, mahita zavatra hafa azo hanina indray izahay. |
31 | Doufáme, že nám Bůh dopřeje i nadále.” | Antenainay fa hanohy hanome hatrany Andriamanitra.” |
32 | Pokrm připravený z kobylek. | Sakafo vita tamin'ny valàla. |
33 | Zdroj: Meals Under Siege, Facebook | Loharano : pejy Facebook “Meals Under Siege” |
34 | Na Facebookové stránce najdete obdobné komentáře, které poukazují na skutečnost, že „člověk může být šťastný i v těch nejhorších podmínkách. | Anatin'izay ihany, ilay pejy Facebook nampakàrana ny sarin'ireo sakafo dia ahitàna fanehoankevitra manasongadina ny hoe “afaka ny hifaly ny olona iray na dia ao anatin'ny fotoana faran'izay sarotra indrindra aza. |
35 | Důležité je být vyrovnaný jak vnitřně, tak s Bohem.” | Ny mavesa-danja dia ny fanànany fitoniana manoloana ny tenany ihany, sy Andriamanitra.” |
36 | Od první demonstrace v březnu 2011, při které vyšly do ulic stovky lidí, až do dnešních dnů obyvatelé Homsu učí svět o tom, co to znamená zachovat si důstojnost, odolnost a tvořivost, nesnázím navzdory. Zpráva byla původně zveřejněna na serveru Syria Untold. | Hatrany amin'ny fihetsiketsehana voalohany indrindra izay nidinan'ny olona an-jatony maro teny an-dalàmbe, tamin'ny Martsa 2011, ka mandraka androany, mitohy mampianatra an'izao tontolo izao ny dikan'ny hoe hajan'ny tena, fanoherana ary fahaiza-mamorona manoloana zava-tsarotra ireo vahoaka Homs. |