# | heb | mlg |
---|
1 | גינאה-ביסאו זקוקה לשגשוג כמו אוויר לנשימה | Rivotra Madio Ho an'i Ginea-Bisao: Firenena Iray Miandrandra Fiadanana |
2 | מאמר זה נכתב על ידי סילביה ארחונה מרטין, ופורסם במקור באתר AECOS תחת הכותרת “אוויר צח לגינאה-ביסאו” [ספרדית] בתאריך 26 באוגוסט 2013. | Ity lahatsoratra ity, izay nosoratan'i Silvia Arjona Martín, dia navoaka voalohany indrindra tao amin'ny vohikalan'ny AECOS teo ambanin'ny lohateny “Fresh Air for Guinea-Bissau” [es] (Rivotra Madio Ho an'i Ginea-Bisao) ny 26 Aogositra 2013. |
3 | יכולתה המוגבלת של גינאה-ביסאו לספק את צרכיהם של תושביה, בעקבות המשבר הפוליטי שגרמה ההפיכה האחרונה ב-12 באפריל 2012, הופכת את חיי היום-יום של 1.6 מיליון אנשים לקשים בשל העדר תנאי מחיה בסיסיים. | Ny fahafahana voafetra ananan'i Ginea-Bisao hanome ho an'ny vahoakany, noho ny fizoran'ny firenena anatinà tetezamita ara-politika taorian'ilay fanonganam-panjakana farany niseho ny 12 Aprily 2012, dia mahatonga ny andavanandrom-piainana ho mahasorena sy sarotra ho an'ny ankamaroan'ny vahoakany izay miisa 1.6 tapitrisa. |
4 | דמעות עולות בעיניה של קדיחה מאנה, סוציולוגית המתמחה בזכויות אדם, וקולה רועד בשעה שהיא מסבירה את מצבם של תושבי גינאה-ביסאו: | Maratra anaty i Cadija Mané, mpandinika ny fiaraha-monina mifototra amin'ny zon'olombelona, ary nangovitra ny feony raha nanazava ny toe-javatra iainan'ny vahoakan'i Ginea-Bisao: |
5 | זו בושה וכלימה, פשוט פתטי, שאנחנו עומדים בפני חגיגות ה-40 לעצמאות שלנו, וחיים במדינה שאינה מאפשרת לנו לחלום! | Tsy mahafinaritra, mahonena sady mahaontsa ny fahitana fa hankalaza ny faha-40 taonan'ny fahaleovantena isika nefa miaina anatinà firenena iray tsy ahafahantsika manonofy akory! |
6 | לא קל לחיות במדינה שהשירותים הבסיסיים בה, כמו חשמל ומי שתיה, אינם זמינים לתושביה דרך קבע. | Tsy moramora ny miaina anatinà firenena izay tsy ampy lalandava ireo tolotra fototra ilaina tahàka ny jiro sy ny rano fisotro any an-tranon'ny vahoaka. |
7 | המחסור ניכר בכל מקום: מחסור בציוד וכח אדם בבתי חולים, מורים ללא הכשרה בבתי ספר, מחסור במזון באזורים הכפריים, הפרת זכויות נשים, הפחדה שיטתית ושלילת חופש הביטוי, שחיתות, סחר בסמים, העדר רשת תקשורת, ועוד. | Hita taratra eny rehetra eny izany: trano fitsaboana tsy misy mpiasa sy fitaovana ara-teknika ilaina, toeram-pianarana tsy manana mpanabe voaofana tsara, tsy fahampian'ny sakafo any amin'ireo faritra ambanivolo kokoa, fanitsakitsahana ny zon'ny vehivavy, fampitahorana sy tsy fahampian'ny fahalalahana miteny, kolikoly, fanodinkodinana zava-mahadomelina, tsy fisian'ny foto-drafitrasa fifandraisana, sns. |
8 | תכנית האו”ם לפיתוח (אונד”פ) מדרגת את גינאה-ביסאו, מדינה קטנה הממוקמת בין סנגל וגינאה קונקרי, במקום ה-176 מתוך 186 מדינות. | Mametraka an'i Ginea-Bisao, firenena kely eo anelanelan'i Senegaly sy Ginea Conakry, ho eo amin'ny laharana 176 amin'ireo firenena 186 ny Fandaharan'asa Fampivoaran'ny Firenena Mikambana (PNUD). |
9 | נוסיף לכך מדדים סטטיסטיים כמו תוחלת החיים במדינה - 48 שנים, התוצר הלאומי הגולמי, העומד על 1024 דולר לנפש (דולר בין-לאומי לפי ערך שנת 2005), ושיעור הנשירה מבית הספר היסודי, העומד על 88%, ונקבל תמונה המשקפת במקצת את תנאי המחיה שהמדינה מספקת לתושביה. | Raha ampiantsika anatin'izany fa ny tombatombam-pahavelomana dia 48 taona, ny harinkarena faobe eo amin'ny firenena dia 1.042 dolara isaky ny olona (dolara iraisam-pirenena tsy miova hatramin'ny 2005 ), ary 88 isanjato ny fanajanonana ny fianarana any amin'ny garabola, anivon'ireo salanisa hafa, dia afaka mandray an-tsaina kely ny fepetram-pahavelomana omen'ny firenena isika. |
10 | בעיות אלה מוחשיות מעט פחות בבירה ביסאו, למעט כבישי העפר המלאים במהמורות והאשפה המפוזרת בכל פינה, אפילו סביב ארמון הנשיאות, וכן העלטה המוחלטת המכסה את העיר עם שקיעת השמש. | Any Bisao renivohitra, tsy dia hita faritra loatra ireo fepetra ireo, raha tsy mijery ny kiloadoaka amin'ny làlana, ny arabe maloto, ny fako mivangongo isaky ny fiolanana - tafiditra amin'izany ny manodidina ny Lapam-panjakana - sy ny haizina mandrakotra tanteraka ny tanàna vantany vao mody ny masoandro. |
11 | המצב ניכר יותר באזורי הכפר, שם המחסור שולט והקשיים הכלכליים לרכישת מזון גדלים באופן משמעותי, בייחוד לאחר צניחת מחירי אגוזי הקשיו, שהם מקור ההכנסה העיקרי של המדינה. | Hita kokoa izany any amin'ireo faritra ambanivohitra, izay mafy kokoa ny tsy fahampiana sy ny fitomboan'ny fahasahiranana ara-bola eo amin'ny fividianan-tsakafo, ambonin'izany rehetra izany ny fitotonganan'ny sandan'ny famokarana voanà mahabibo, izay loharanom-bola lehibe indrindra ao amin'ny firenena. |
12 | רחוב במרכז הבירה ביסאו. | Iray amin'ireo arabe ao afovoan'ny renivohitra, Bisao. |
13 | תצלום: סילביה ארחונה | Sary an'i Silvia Arjona |
14 | לדברי ארגון החקלאות והמזון של האו”ם (FAO), גינאה-ביסאו סובלת כעת ממחסור משמעותי במזון כתוצאה מייצור חקלאי דל וחוסר יציבות פוליטית, ומושפעים מכך כ-260 אלף איש במרכז המדינה. | Araka ny Fikambanan'ny Firenena Mikambana Misahana Ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO), misedra tsy fahampian-tsakafo goavana i Ginea-Bisao amin'izao fotoana, izay mety hiantraika aminà vahoaka miisa 260.000 ao anatin'ny firenena, vokatry ny famokarana marefon'ny fambolena sy ny tsy fahamarinan-toeran'ny politika misy ao amin'ny firenena. |
15 | אולי זו הסיבה לכך שפרננדו דלפין דה סילבה, שר העסקים הזרים, שיתוף הפעולה והקהילות בממשלה הזמנית, מאמין כי השגת ביטחון תזונתי היא יעד פוליטי חשוב מן המעלה הראשונה. | Mety ho izany no antony mahatonga an'i Fernando Delfín da Silva, Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Fifanarahana ary ireo Vondrom-piarahamonina ao anatin'ny governemanta tetezamita misy amin'izao fotoana, hihevitra ny fiantohana ny fiarovana ara-tsakafo ho laharam-pahamehana politika. |
16 | ממשרדו המרווח בארמון הממשל בביסאו, דה סילבה מסביר את המצב בדאגה, וקורא לסיוע של הקהילה הבין-לאומית: | Avy any amin'ny birao lehibeny any amin'ny Lapan'ny Governemantan'i Bisao, nanazava tamin'ahiahy ny zava-mitranga i Da Silva, izay miantso amin'ny fomba tsy mivantana ny fianakaviambe iraisam-pirenena: |
17 | מאז שהתחלנו במחזור הגידול של אגוזי קשיו, לפני שנים רבות, אנשים נהגו להחליף אגוזי קשיו תמורת אורז. | Hatramin'ny nanombohantsika namokatra voanà mahabibo, taona maro lasa izay, nanakalo voanà mahabibo ho vary ny vahoaka. |
18 | קילוגרם אורז היה שווה ערך לקילוגרם אגוזי קשיו. | Tamin'izany fomba izany, mitovy amin'ny vary iray kilao ny voanà mahabibo iray kilao. |
19 | כיום, תמורת קילוגרם של אורז תוכל לקבל שלושה קילוגרם של אגוזי קשיו, מה שמראה על פיחות בשער החליפין, וזו בעיה קשה שאנו זקוקים לעזרה כדי לפתור. | Ankehitriny, anefa, raha manana vary iray kilao ianao dia afaka mividy voanà mahabibo telo kilao, izay midika fa nisy fihenany ny taham-pifanakalozana, olana iray goavana ilàntsika fanampiana. |
20 | המדינה מייצאת מעל 200 אלף טון אגוזי קשיו בשנה, אך אחד הגורמים לפיתוחה הלקוי של גינאה-ביסאו הוא המחסור במפעלים המעבדים מוצרי מזון אחרים מלבד הקשיו. | Iray amin'ireo antony lehibe indrindra mahatonga ny fivoarana voafetran'i Ginea-Bisao ny tsy fahampian'ireo orinasa manodina, tsy ny voanà mahabibo ihany, izay maherin'ny 200.000 taonina no ahondrana isan-taona, fa ireo hafa vokarin'ny firenena ihany koa. |
21 | דה סילבה מדגיש כי הבעיה היא בעיבוד: | Manipika i Da Silva fa mivoatra io antony io: |
22 | עלינו לעבד את התוצרת החקלאית שלנו. | Tsy maintsy manodina ireo vokatra ara-pambolentsika isika. |
23 | אחרת לא יהיו לנו כבישים טובים, בתי ספר טובים, בתי חולים טובים או מוסדות ציבור טובים. | Raha tsy izany, tsy hanana arabe tsara, sekoly tsara, toeram-pitsaboana tsara na koa fotodrafitrasa tsara. |
24 | על המודל הכלכלי להשתנות באופן מיידי, מפני שזה הקיים כיום יוצר עוני במקום להילחם בו. | Tsy maintsy ovaina haingana sy amboarina ny lamina ara-toekarena, satria ilay ananantsika amin'izao fotoana tsy miady amin'ny fahantrana fa mamorona aza. |
25 | והעניין לא קשה כל כך. | Ary tsy dia sarotra loatra izany. |
26 | אם נצליח לחולל שינוי, גינאה-ביסאו תצליח בתוך 4 או 5 שנים לצמצם את ממדי העוני באופן משמעותי וליצור כ-200 אלף משרות. | Raha manova izany isika, hanena be ny fahantrany i Ginea-Bisao ao anatin'ny efatra na dimy taona ary hamorona eo amin'ny asa 20.000 eo ho eo. |
27 | וכל זה אינו דורש טכנולוגיה מתוחכמת! | Ary dia tsy ampiasàna teknolojia lavorary na sarotra ampiasaina izany rehetra izany! |
28 | דה סילבה משוכנע שזהו השינוי שעל ארצו לחולל על מנת להגיע לרמת פיתוח אנושית, כלכלית וחברתית שתספק לכל התושבים רמת חיים טובה יותר. | Resy lahatra izy fa io no fiovàna tsy maintsy hizoran'ny firenena raha te-hahatratra fivoarana eo amin'y maha-olona, ara-toekarena ary sosialy avo kokoa, izay hanome hatsaram-piainana tsara kokoa ho an'ny mponiny. |
29 | בחלקו השני של המאמר, נציג את חזונם של חברי קולקטיב הצעירים ‘התנועה לפעולה אזרחית', שנוסד בשנה שעברה במטרה לתת מענה לתחושות המרמור בקרב העם. | Anatin'ny tapany faharoa amin'ity lahatsoratra ity, hahafantatra momba ny fijerin'ny fikambanan'ny tanora “Hetsika Iraisan'ny vahoaka” isika, izay noforonina tamin'ny herintaona mba hanomezana vahaolana manoloana ny hatezeram-bahoaka. |