# | mlg | rum |
---|
1 | Toy Izao Ny Fandrenesan'Ny Olona Ny Hiran'i Michael Jackson Amin'ny Fiteny Quechua | Așa sună Michael Jackson în limba quechua |
2 | Teratany Peroviana i Renata Flores Rivera, 14 taona ary nampihetsi-po ny haino aman-jery sosialy tamin'ny fangalàny tahaka hira fanta-daza maro ho amin'ny fiteny Quechua. | Renata Flores Rivera, o tânără peruană de 14 ani,a devenit o senzație în domeniul media datorită adaptărilor sale ale cântecelor bine-cunoscute, în limba quechua. |
3 | Noraketina an-tsary tao amin'ny lembin'i Inca ao Vilcashuamán ao Ayacucho, Pero ny lahatsary nanaovany amin'ny fombany azy manokana ny hira “The Way You Make Me Feel”, izay hiran'Itompokolahy Michael Jackson, ary efa maherin'ny atsasaky ny iray tapitrisa no nijeren'ny olona azy io tao amin'ny YouTube. | Video-ul său cu versiunea melodiei “The Way You Make Me Feel”, care aparține lui Michael Jackson, a fost înregistrat la ruinele incașe din Vilcashuamán, în Ayacucho, Peru și a fost vizualizat de peste o jumătate de milion de ori pe YouTube. |
4 | Ahitàna olona fito tapitrisa miteny azy, ny Quechua no fiteny faharoa (aorian'ny Guarani) be mpiteny indrindra ao Amerika. | Cu o populație vorbitoare de 7 milioane, limba quechua este a doua cea mai vorbită limbă din Americi. |
5 | Ao Pero, efa noraisina ho toy ny fiteny ofisialy izy io miaraka amin'ny fiteny Espaniola, eny fa na dia manodidididina ny 19% fotsiny aza ny vahoaka mahay miteny Quechua. | În Peru este limba oficială împreună cu spaniola deși doar 19 % din populație chiar vorbește în quechua. |
6 | Miasa ao amin'ny Asociación Cultural Surca (Fikambanana Ara-koltoraly Surca) i Patricia Rivera renin'i Renata, fandaharan'asa iray mikendry indrindra ny fampianarana ireo adolatsento avy any Ayacucho momba ny fisorohana ny zava-mahadomelina sy ny fitenindrazana ao amin'ny faritr'i Andean. | Mama adolescentei, Patricia Rivera, lucrează pentru Asociación Cultural Surca (Asociația Culturală Surca), un program care dorește să îi avertizeze pe tinerii din Ayacucho despre consumul de droguri si să-i învețe despre limba strămoșilor. |
7 | Ampahany amin'izany tetikasa izany i Renata. | Renata a făcut parte din inițiativa lor. |
8 | Noho ny Reniny, “lasa miteny Quechua ihany koa ny tanora.” | Datorită mamei ei, “tinerii vorbesc quechua de asemenea” |
9 | 11 taona izao no niforonan'io fikambanana io ka ny tanjona napetraka ho tratrarina dia ny hanovàn'ny tanora sy ny adolatsento ny fomba fijeriny ka haka hatrany ny lafiny tsara amin'ny alàlan'ny taokanto/zavakanto. | Asociația a fost fondată acum 11 ani cu scopul de a dezvolta o atitudine pozitivă în rândul copiilor și adolescenților prin intermediul artei. |
10 | Raha ny voalazan'ny gazety El Comercio, dia ny hitahirizana maharitra ny Quechua amin'ny maha-fitenindrazana azy no tanjon'izy ireo. | Potrivit ziarului El Comercio, intenția lor era să conserve limba Quechua ca limbă ancestrală. |
11 | Amafisin'i Ana Saroly, ao amin'ny lahatsorany “Puede el quechua sobrevivir“ (Mety haharitra ve ny fiteny Quechua), fa ny fiteny Quechua dia lasa fiteny nampiray tamin'ny fotoan'andron'i Inca taloha izay efa 600 taona lasa izay. | Ana Saroly afirmă, în articolul său “Puede el quechua sobrevivir” (Se poate ca limba quechua să supraviețuiască), că această limbă a fost liantul care a legat Imperiul Incaș acum 600 de ani. |
12 | Ankehitriny, atahorana ny fihenan-danjan'io fiteny io, noho izany ilaina ny hianaran'ny tanora azy io sy hahatsapany rehareha ireo amin'io fiteny io. | Astăzi există pericolul să scadă importanța ei, de aceea este necesar ca tinerii să o învețe și să se simtă mândri. |
13 | Tsara avokoa ny ankamaroan'ireo fanamarihana voaray tao amin'ny takelaka Facebook-n'io mpihira io. | Comentariile de pe pagina de Facebook a cântăreței sunt în mare parte optimiste. |
14 | Ohatra, hoy i Ricky Anthony Ascoy Valarde hoe: | De exemplu, Ricky Anthony Ascoy Valarde comentează: |
15 | Mifandefitra avokoa ny tsirairay ary tsy misy ny fanavakavaham-bolon-koditra noho io fitenin-dreninay io. | Noi îi sprijinim pe toți, fără discriminare față de limba maternă. |
16 | Tokana izy io. | Este unică. |
17 | Isaorana ianao ry Però noho ny halehibenao.” | Mulțumesc Peru pentru măreția ta. |
18 | Nozaraina tao amin'ny Twitter ny hira iray hafa amin'ny gadona rock somary milantolanto nohirain'i Renata amin'ny fiteny Quechua : | O altă variantă quechua a unei melodii rock este distribuită de către Renata pe Twitter: |
19 | Hiran'ny tarika The Animal mitondra ny lohateny hoe “The House of the Rising Sun” (Ilay Trano ery amin'ny fiposahan'ny masoandro) nindramin'ilay zazavavy Renata Flores Rivera nohiraina tamin'ny fiteny Quechua … | Renata Flores cântă melodia “The House of the Rising Sun” în limba Quechua. |
20 | Hiran'i Alicia Keys mitondra ny lohateny hoe “Fallin” no ho hirany manaraka. | Următoarul cântec adaptat va fi “Fallin” , al cântăreței Alicia Keys. |