# | mlg | swa |
---|
1 | Korea Atsimo: Fisaonam-pirenena noho ny fahafatesana vady andefimandry Vietnamiana iray | Korea Kusini: Maombolezo ya Kitaifa ya Mwanamwali wa Kivietnam |
2 | Misaona ny vady andefimandry Vietnamiana iray maty novonoin'ny vadiny Koreana herinandro taorian'ny nahatongavany tany Korea, ireo mpitoraka blaogy Koreana Tatsimo. | Wanablogu wa Korea kusini wanaomboleza kifo cha mwanamwali wa Kivietnamu aliyeuawa na mume wake Mkorea mara tu baada ya kutua nchini Korea. |
3 | Notsindronim-badiny, Jang Du Hyo ( 47 taona ) izay manana aretin-tsaina, tamin'ny antsy sy nodarohana mandrapaha-fatiny i Thach Thi Hoang Ngoc ( 20 taona ). | Thach Thi Hoang Ngoc (umri miaka 20) alichomwa kisu na kupigwa hadi kufa na mume wake Jang Du Hyo (umri miaka 47) ambaye ana ugonjwa wa akili. |
4 | Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakaviana ny Filohan'ny Korea Atsimo Lee Myung-bak tamin'ny alalan'ny ambasadaoro Koreana any Vietnam. | Rais wa Korea Kusini Lee Myung-bak ametuma salamu za rambirambi kwa familia ya mwanamwali huyo kupitia balozi wa Korea nchini Vietnam . |
5 | Ireo mpitoraka bilaogy Koreana, raha naneho ny fiaraha-mioriny noho ity famonoana vady andefimandry ity izy ireo, dia nanao antso avo amin'ny governemanta sy ny polisy hanasazy mafy ireo masoivoho tsy ara-dalàna mpikarakara mariazy izay matetika mitondra ireo mariazy ho any amin'ny loza amin'antambo noho ny fanafenana ny tantaran'ny aretin-tsain'ilay ho vady, ireo toetrany sy ny toerana misy azy ao amin'ny fiarahamonina. | Wanablogu wa Korea, wakieleza machungu yao juu ya kifo hicho, waliitaka serikali ya nchi hiyo na polisi kutokuruhusu ndoa za holela kupitia mawakala ambao mara nyingi husababisha ndoa kuwa balaa kwa kuficha hali ya kiakili ya mume mtarajiwa, tabia na wasifu wake. |
6 | Dikamitovin'ny fàfana amin'ny vavahadina tranonkala iray rehefa nitady ny teny hoe: vady andefimandry any Vietnam. | Picha ya skrini ya tovuti inavyoonekana baada ya kuingiza neno: wachumba wa Kivietnam. |
7 | Rehefa mampiditra ny teny fikarohana ‘vady andefimandry any Vietnam' ao amin'ny Naver.com ianao, izay tranonkala isan'ny ampiasaina be indrindra ao Korea, dia saika sivy amin'ireo tranonkala folo no tranonkalan'ireo mpiantoka fanambadiana, mampanantena an'ireo tovolahy Koreana fa hoe afaka mahazo vady avy any Vietnam na avy any ivelany amin'ny vidiny tena mirary izy ireo, . | Unapotafuta neno “wachumba wa Kivietnam” katika katika touvuti ya Naver.com, tovuti ambayo hutumiwa zaidi nchini Korea, karibu ya tisa katika kumi ni tovuti za kukutanisha wachumba, ambazo huwavutia vijana wa Kikorea kwamba wataweza kuijipatia wachumba wa Kivietnam au wa mataifa ya kigeni kwa bei nafuu. |
8 | Iray amin'ireo tanatin'io tsena io i Ngoc, ilay vady andefimandry tanora maty novonoina. | Mwanamwali mdogo aliyeuawa, Ngoc alikuwa kati ya waliokuwa kwenye soko. |
9 | Tamin'ny 01 Jolay izy no tonga tany Korea, ary nanambady ary lasa vatana mangatsiaka tamin'ny 8 Jolay. Tsy nahay niteny Koreana izy ary tsy nahalala na inona na inona mikasika ilay vadiny sy mikasika ny tsy fahasalaman'ny sainy. | Aliwasili Korea Julai Mosi, akaolewa na kuuawa tarehe 8. Hakuwa na uwezo wakuzungumza Kikorea na hakujua chochote juu ya udhaifu wa kiakili wa mumewe. |
10 | Nilaza tamin'ny polisy ilay vadiny taty aoriana fa nahazo toromarika avy amina avelo izy hamono ny vady andefimandriny . | Mumewe baadaye aliwajulisha polisi kuwa alikuwa ameagizwa na mzimu kumuuwa mkewe. |
11 | Maro ireo Koreana no nihoron-koditra tamin'izany vaovao izany, ny ankamaroan'izy ireo dia miantso izao loza mitranga izao ho henatry ny firenena . | Wakorea wengi walichukizwa na habari hizo, wengi walilita tukio hilo kama aibu ya taifa, |
12 | Nanamarika i Spriglaw, mpisolovava iray sady mpitoraka bilaogy ao anatin'ny lahatsorany iray manomboka amin'ny fehezanteny hoe ‘ manoratra ity aho, ary manantena fa tsy hitranga intsony ny loza toy izany' fa ratsy hatrany am-piandohana ity fanambadiana ity ary ‘simbàn'ny' tsy fisian'ny fifandraisana, tsy fahalalana ary fandraisan'andraikitra tara loatra. | Mwanablogu mwanasheria Springlaw aliandika katika makala yake inayoanza kwa sentensi ‘ninaandika hili nikiamini kuwa tukio kama hili halitatokea tena' na kwamba ndoa hiyo ilikuwa batili tokea mwanzo na iliharibiwa zaidi na kutokuwepo kwa mawasiliano, pia ujinga na uchelewaji katika kuchukua hatua. |
13 | Niha-ratsy hatrany hatrany ity olana ity ary potika no niafarany araky ny hita eto amin'ity tranga iray ity. | Tatizo lilikua na kukua zaidi na hatimaye likalipuka kama inavyoonekana katika kisa hiki. |
14 | Saika ‘mividy' ireo vady andefimandriny daholo ireo tovolahy Koreana ary rakotry ny herisetra ara-nofo sy teny tsy voalanjalanja ny mariazin'izy ireo raha eo amin'ny sehatry ny tsy fifankahazoan'ny fomba fitenin'izy roa izany. | Wanaume wa Kikorea wamefikia kiasi cha ‘kuwanunua' wenza wao na ndoa yao ikaishia kuwa na ugomvi, na matusi, katika hali ambayo ni vigumu wao kuelewana kutokana na kutoelewana lugha zao. |
15 | Manahy aho fa mety hihoatra ny resa-pianakaviana izany ka ho lasa olan'ny samy firenena … Efa nandady efa hatry ny ela ity karazana mariazy hosoka sy ratsy ity ary efa betsaka ireo vady andefimandry avy any ivelany no voadona tamin'izany. | Nina shaka hili litvuka mipaka ya familia na kuwa tatizo kati ya nchi…Vitendo hivi vya ndoa batili, vya kifisadi vimeenea na kukua kwa kuanzia zamani na wanawali wengi wa kutoka nchi za kigeni wameshaumizwa sana. |
16 | Mazava ho azy, efa navoitran'ny haino aman-jery io olana io, nefa zara raha namaly izany ireo vahoaka Koreana sy ny governemanta ka izany no nitarika ity henatra noho ny famonoana ny vady andefimandry Vietnamiana ity. | Ni kweli kuwa vyombo vya habari vimeandika kuhusu hili, lakini watu wa Korea na serikali hawakuwajibika hadi kufikia kusababisha kifo cha huyo mke wa Kivietnam. |
17 | Tena miroborobo be ny mariazy iraisam-pirenena any Korea. | Ndoa za kimataifa zinaongezeka kwa kasi sana nchini Korea. |
18 | Manodidina ny 11 isan-jato (35000 tranga ) amin'ny mariazy rehetra dia iraisam-pirenena avokoa, araky ny voalazan'ny Tranobe misahana ny Antontan'isa ao Korea. | Takribani asilimia 11 (matukio kama 35 elfu ) ya ndoa zote ni za kimataifa kwa mujibu wa ofisi ya takwimu ya Korea. |
19 | Fa maro no manahy azy ity, ho mariazy arahina fepetra, eo amin'ny tovolahy tsy azo ampanambadiana sy ny vady andefimandry avy any ivelany, izay amidy eo amin'ny manodidina ny 7000 ka hatramin'ny 10000 dolara. Saika amin'ireo tranga rehetra no ahitàna fa samy tsy mifankafantatra fiteny izy ireo, ary dia tsy mandeha ara-dalàna ity mariazy ity amin'ny farany satria vonoin'ireo vadiny ireo andefimandriny, ary dia lasa mandositra ity farany. | Lakini wengi huzichukulia kama ni ndoa za masharti kati ya Wakorea wasio na vigezo vya kuoa na wanawali wa kutoka nchi za kigeni ambao hununuliwa kwa dola elfu 7 hadi elfu 10. Katika karibu kila ndoa wanandoa huwa hawawezi kuongea lugha ya mwingine, na ndoa hiyo yenye mapungufu hushindwa kuendelea na mume humpiga mke hatimaye mke hukimbia. |
20 | Rehefa azo zakaina ihany ny zava-miseho, dia mandefa vola any amin'ireo raiamandreniny any amin'ny tany niaviany ireo vady andefimandry. | Pale hali inapoweza kuvumilika, wake hutuma pesa nyumbani kwao. |
21 | Matetika no lasa fitambaram-bola be ireo vola alefan'ireo vady andefimandry tanora noho ny sandam-panakalozana vola vahiny . | Napesa zinazotumwa na wanawali hao wadogo hubadilishwa na kuwa kiasi kikubwa kutokana na tofauti iliyopo kiuchumi. |
22 | Trustme77, Koreana mpitoraka blaogy , mipetraka any Vietnam dia nanangona ireo tsikera Vietnamiana momba io tantara io ho anatina lahatsoratra fitateram-baovao iray. | Mwanablogu wa Kikorea Trustme77 anayeishi Vietnam aliyaweka haya pamoja Wavietnam wametoa maoni kuhusu habari hii. |
23 | Ny sasany nizara ireo tantarany mahavaky fo, ary ny hafa kosa tsy nahatàna ny hatezerany amin'ireo mpiantoka mariazy sy ny governemanta. | Wengine walielezea simulizi zao za kusikitisha na wengine hawakuzuia hasira zao kwa wakala wa ndoa husika na serikali. |
24 | Mampalahelo izy ity: Betsaka ireo vehivavy Vietnamiana no tsy miraharaha ireo maha-olona azy noho ny takalo ara-bola ary indrindra ny zavatra tena mampalahelo dia malefaka loatra ny lalàna Vietnamiana . | Hii inahuzunisha: wanawake wengi wa Vietnam hawajali kabisa juu ya utu wao na huuzwa kwa pesa, cha kusikitisha zaidi ni kwamba sheria za Vietnam ni dhaifu sana. |
25 | (Bui Tan Man) Fiainana tandindonin-doza : Betsaka ireo vehivavy tanora no tsy mahazo tsara ny mety ho endriky ny fiainana any amin'ireo firenena vahiny. | (Bui Tan Man) Maisha ya Kamari: wengi wa wanawake vijana hawafahamu jinsi maisha yanavyoweza kuwa huko ughaibuni. |
26 | Mihevitra ny ankamaroan'izy ireo fa hoatry ny fiainana any am-paradisa izany. | Wengi wanafikiri kuwa yanaweza kuwa kama peponi. |
27 | Saingy hadisoan'ireo vehivavy tsy mahay mandinika izany . | Lakini hilo ni kosa kwa hawa wanawake wanaoamini kiurahisi. |
28 | (Ta Duc Thong) Tsy misy fifaliana mihitsy nony injay ianao mahatsapa : manam-bady lehilahy Koreana aho ary mipetraka aty Korea amin'izao fotoana izao. | (Ta Duc Thong) Kamwe hakuna furaha ukigundua kuwa: Nimeolewa na mwanaume wa Kikorea na sasa ninaishi Korea. |
29 | Nahita vady tamin'ny alalan'ny mpiantoka aho ary nikiaka (noho ny hafaliana) raha voafidy ho isan'ireo vehivavy andefimandry amin'ireo vehivavy an-jatony maro… Volana maro tao aorian'ny fikarakarana ireo taratasy, tonga taty Korea aho ary rava ho azy ireo nofinofiko. | Niliolewa kwa kupitia wakala na nililia (kwa furaha ) nilipochaguliwa kuolewa kati ya maelfu ya wanawake wengine… Baada ya miezi kadhaa nilipata karatasi, nikawasili nchini Korea na ndoto yangu ikapigwa chini. |
30 | Tsy manana asa ny vadiko no sady voan'ny androbe. | Mume wangu hakuwa na kazi na pia ana kifafa. |
31 | Rehefa tsapako fa voarebireby/voafitaka aho, nidradradradra nitomany be mihitsy aho nieritreritra ny tanindrazako . | Nilipogundua kuwa nimechezewa, Nililia sana nikifikiria kuhusu kwetu. |
32 | (Nguyen Thi Hong) Tokony ho saziana mafy ireo mpikarakara fanambadiana iraisam-pirenena ireo. | (Nguyen Thi Hong) hawa wakala wa ndoa wa kimataifa wanapaswa kuadhibiwa. |
33 | Inona no nahatonga ny governemanta manao asa matotra amin'izy ity ? | Kwa nini serikali haipo makini katika hili? |
34 | (Anh Minh) | (Anh Minh) |
35 | Tsy mitondra fanampiana amin'ity toe-javatra ity ny tsy fihetsehan'ny fiarahamonina Koreana , araky ny tsikeran'ny mpitoraka bilaogy Danbee 928, izay manao antso avo amin'ireo Koreana hahatsiaro ireo fotoanan'ny tsy fisiana tamin'ny taona 1960 sy 70, raha nandeha tany an-tanin'ady na tany amin'ireo Firenena Tandrefana mba hahazo vola ho entina mody ireo Koreana maro . | Kutojali kwa Wakorea hakuisaidii, aliasa mwanablogu Danbee 928, akiwataka Wakorea kukumbuka wakati wa unyenyekevu wa ile miaka ya 1960 hadi 70, wakati wakorea wengi walipoenda kwenye nchi za magharibi au vitani ili kupata pesa za kutuma nyumbani. |
36 | Nandeha tany amin'ny firenena hafa koa izahay mba hitady vola, ny sasany lasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany any Alemana Atsinanana, ny sasany nanao mpitsabo mpanampy ary ireo hafa ( nanao miaramila na mpiasa) tany amin'ny Adin'i Vietnam. | Na sisi pia tuliwahi kwenda nchi za watu kusaka pesa, baadhi kama wachima madini huko Ujerumani Magharibi, wengine kama wauguzi na wengine kama (askari au wafanyakazi) wakati wa vita ya Vietnam. |
37 | Tadidinao, hatraiza isika no niady hatrany amin'ireo firenena vahiny faran'izay lavitra be any izay tsy fantatsika mihitsy, hiady amin'ny fahantrana ary tsy hamela ny zanatsika ho azon'ny hanoanana. | Mnakumbuka jinsi tulivyohangaika huko kwenye nchi za mbali, ambako hakuna ulichokuwa unakifahamu, ili kupiga vita umasikini na kuwaepusha na njaa watoto wetu. |
38 | Maninona isika no tsy afaka mahatsiaro izany fotoanan'ny tsy fisiana niainantsika izany? | Kwanini tusiukumbuke wakati huo wa unyenyekevu? |
39 | Nianiana ireo Polisy Koreana Tatsimo ny hanao fanadihadiana feno manerana ny firenena mikasika ireo orinasa mpiantoka mariazy ireo, na voasoratra anarana izy ireo na tsia. | Polisi wa Korea Kusini waliahidi kufanya uchunguzi wa nchi nzima ili kujua mtandao wa hawa wakala wa ndoa, ili kujua ndoa zilizosajiliwa na zisizosajiliwa. |
40 | Manantena ireo mpitoraka bilaogy fa ho feno sy ho vita tsara izany mba hamafàna ireo loto amin'ny anaran'ny firenena . | Wanablogu wanatumaini kuwa uchunguzi huo utakuwa wa uhakika na wenye hitimisho zuri ili kufuta doa hili katika jina la taifa. |