# | mlg | swa |
---|
1 | Afrika Atsimo : 67 minitram-piovana – Andro ho an'i Mandela | Afrika ya Kusini: Dakika 67 za Mabadikio – Siku ya Mandela |
2 | Nelson Mandela Loharano:www.ambassadors.net | Nelson Mandela Chanzo:www.ambassadors.net |
3 | Maro amin'ny olona no mahalala fa 27 ny isan'ny taona lanin'i Nelson Mandela tany am-ponjan'ny Nosy Robben any Afrika Atsimo. | |
4 | Ny tsy fantatry ny ankamaroan'ny olona momba an'i Madiba (fiantso ahafantaran'ny olona azy am-pitiavana any Afrika Atsimo) kosa dia ny 67 taona laniny nanoherany ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny fahantrana. Ho feno 92 taona androany alahady 18 jolay 2010 ity filohan'i Afrika Atsimo teo aloha ity. | Mnamo mwaka 2009, mafanikio ya kampeni na sherehe hizo za 46664 zilipiga hatua ya juu zaidi na kuwa kile kinachofahamika kama “Mandela Day”,yaani “Siku ya Mandela”, ambayo ni siku wanayotumia watu kila mahali duniani kutoa dakika 67 kwa ajili ya kupafanya duniani kuwa mahali bora zaidi pa kuishi. |
5 | Tao anatin'izay 16 taona farany izay dia tamin-kafanam-po sy fahazotoana tokoa no nankalazan'ny Afrikana Tatsimo ny tsingerintaona nahaterahan'i Madiba. | |
6 | Tamin'ny 2002 kosa anefa dia nampiasain'i Nelson Mandela ho fanentanana amin'ny ady amin'ny VIH/SIDA manerantany, 46664, ity andro iray ity. | |
7 | Tamin'ny taona 2009, nampivoatra ilay lasa nalaza ho “Andro ho an'i Mandela” ny fahombiazan'ny fankalazana sy ny fanentanana 46664, andro iray hanokanan'ny mponina manerana izao tontolo izao 67 minitra hanaovana an'izao tontolo izao ho toerana mahatamàna kokoa ho an'ny rehetra. | |
8 | Manazava ny mpikarakara: | Waandaaji walieleza hivi: |
9 | Tapaka ary ny hevitra fa tsy misy zavatra sahaza ankoatra ny fametrahana fankalazana isan-taona ny tsingerintaonan'ny Madiba ho fampahatsiarovana ny vitany nandritra ny fiainany sy ny fikambanana mpanao asa soa [nosahaniny] ary mba hitohy mandrakizay ny fiarovana ny lova napetrany. | Uamuzi ulifikiwa kwamba kusingekuwa na namna nyingine iliyo bora zaidi ya kusherehekea siku ya kuzaliwa Madiba kila mwaka zaidi ya kuwa na siku ambayo itatengwa maalumu kumkumbuka kwa kazi aliyofanya maishani mwake na kwa shughuli za asasi yake ya hisani na kuhakikisha kwamba urithi aliotuachia unaendelea daima. |
10 | Nanana ny akony tokoa ny fahombiazan'ny Andron'i Mandela tamin'ny 2009 tany Afrika Atsimo. | Siku ya Mandela ya mwaka 2009 ilikuwa yenye mafanikio makubwa sana nchini Afrika ya Kusini. |
11 | Nalaza tokoa hany ka amin'ity taona 2010 ity no lasa andro Iraisampirenena ho an'i Nelson Mandela araka ny notaterin'i Joburg: | Ilikuwa yenye mafanikio kiasi hicho kwamba tarehe hii katika mwaka 2010 itakuwa ndiyo ya kwanza katika Siku ya Nelson Mandela ya Kimataifa kama Joburg anavyoripoti: |
12 | Ity no ho andro Iraisampirenena voalohany ho an'i Mandela, araka ny tapaky ny Firenena Mikambana tamin'ny volana Novambra 2008, nanambara fa ho andro natokana hanaovana ny asa mahaolona ny andron'ny 18 jolay. | Itakuwa ndiyo Siku Kimataifa ya Nelson Mandela ya kwanza tangu Umoja wa Mataifa ulipopitisha azimio mwezi Novemba mwaka 2009, likiitangaza tarehe 18 Julai kwamba ni siku inayotengwa kwa ajili ya shughuli za kuimarisha utu. |
13 | Sambany ny Fifandaminana no nanokana andro iraisampirenena ho an'olo-tokana tahaka izao, hiaikena fa dindon'ny fanantenana ho an'ny voageja sy ny voahilikilika izy. | Ni mara ya kwanza kabisa ambapo taasisi hiyo kubwa duniani imetangaza siku ya kimataifa kwa jina la mtu binafsi, likimtambua mtu huyo kama alama ya matumaini hasa kwa wale wanaokangamizwa na kutengwa. |
14 | Na dia hankalazaina manerantany aza ity andro ity, dia any Madrid any Espaina kosa no nosafidiana ampahibemaso voalohany hanatontosana rindrankira hanamarihana ny andro iraisampirenena ho an'i Mandela, ka i BB King no nifanarahana hihira ao amin'io fotoana io. | Ingawa siku hiyo itasherehekewa kote ulimwenguni, Madrid, mji mkuu wa Hispania, umechaguliwa kuwa wenyeji wa tamasha kubwa la kusherehekea Siku ya Kimataifa ya kwanza ya Nelson Mandela, na BB King anatarajiwa kutumbuiza. |
15 | Fa manana fandaharam-potoana hanatontosana rindrankira ihany koa ry zareo avy any New York. | Wakazi wa New York nao wataendesha tamasha lao kubwa la kusherehekea. |
16 | Mbola any amin'ity tanàna ity ihany, misy fampirantiana manandratra ny fiainana sy ny lovan'i Nelson Mandela napetraka ao amin'ny Grand Central Terminal any New York ho fanomezam-boninahitra ny Andron'i Mandela 46664. | Tukibaki hapo New York, kazi ya kutundika ya sanaa inayosherehekea maisha na urithi wa Nelson Mandela iliwekwa hadharani katika Kituo Kikuu cha jiji la New York kwa heshim ya Mandela Day 46664. |
17 | Teny telo refy [3-D] mamirapiratra miisa enina milaza fihetsehana no asongadin'ny fampirantiana: asa, mihaino, mitarika, mampivondrona, mianatra ary ny miresaka. | Tangazo hilo linaonyesha maneno sita yanayotoa mwanga mzuri wa rangi wa pande 3: tenda, sikiliza, ongoza, unganisha, jifunze na sema. |
18 | Mampiseho ny lakilen'ny hafatra ampitain'ny soatoavin'i Nelson Mandela ary manainga fanahy ny mpitsidika hanatanteraka asa ny litera fanombohan'ireo voambolana tsirairay avy ireo. | Mbele ya kila neno kuna ujumbe unaoonyesha aliyothamini Nelson Mandela, ujumbe unaowahamasisha wasafiri wanaopita hapo kutenda. |
19 | Mitatitra ny Nelson Mandela Foundation: | Taasisi ya Nelson Mandela inaripoti: |
20 | Nifanaraka ny komity mpanolontsainan'ny tanànan'i Firenze any Italia sy ny Mandela Forum handefa lahatsary momba an'Atoa Mandela, sarimihetsika Invictus ary ny Mandela Day, ao amin'ny Mandela Forum sy amina sarimihetsika ankalamanjana any Florence. | Nchini Italia, Halmashauri ya Jiji la Firenze, kwa kushirikiana na Jukwaa la Mandela, wameandaa onyesho la picha za video kuhusu Mandela, sinema na Siku ya Mandela, vyote hivyo vitarushwa katika Jukwaa la Mandela na vilevile katika eneo la wazi la kuonyeshea sinema la Florence. |
21 | Nanapa-kevitra moa ny mpanolotsainan'ny tanànan'i Firenze ny hanohana ny Andron'i Mandela sy hanaika ny mponina rehetra ao Florence handray anjara amin'ny hetsi-panasoavana manerantany amin'ny alalan'ny fanasoniavana ny fanohanana ny Andron'i Mandela. | Halmashauri ya Jiji la Firenze imejitolea kusaidia Siku ya Mandela na kuhamasisha raia wa Florence kujihusisha katika vuguvugu hili la ulimwengu kwa ajili ya kutenda wema kwa kutia sahihi katika makubaliano yanayounga mkono kuwepo kwa Siku ya Mandela. |
22 | Heno hatrany Cuba ny antson'i Mandela handray anjara : | Wito wa Mandela wa kutenda pia umesikika kule Cuba: |
23 | Nifanaiky nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana androany ny Vaomieran'ny Fifandraisana Ivelany ao amin'ny Antenimiera Kiobàna fa hankalazaina isaky ny 18 jolay ny andro iraisam-pirenena ho an'i Nelson Mandela. | Tume ya Uhusiano wa Kimataifa ya Bunge la Cuba leo, katika kikao cha dharura, imepitisha uamuzi wa kusherehekea Julai 18 kama Siku ya Kimataifa ya Nelson Mandela. |
24 | Noraisin'ny Afrika Tatsimo ho antso handaniana ny 67 minitra amin'ity andro ity izy io hanatsarana ny fiainana ao amin'ny firenena. | Raia wa Afrika ya kUsini nao wameitikia wito wa kutumia dakika 67 za siku yao ili kukuza ubora wa maisha nchini humo. |
25 | Hotontosaina any amin'ny faritra tiany handaniany ny androny ao amin'ny firenena misy azy izany hetsika izany. | Shughuli mbalimbali zimeandaliwa nchini kote ambapo watu watajitolea muda wao. |
26 | PastorMosaSono no manontany: | PastorMosaSono anauliza: |
27 | Iza no hiara-dia aminay rahampitso @ 08h30 ao amin'ny Chris Hani Bara hanao asam-panadiovana mandritra ny 67min ho amin'ny Andron'i Mandela? | Je, nani atajiunga na sisi pale Chris Hani Bara kesho saa @02h30 asubuhi kwa muda wa dakika 67 katika Siku ya Mandela katika kampeni ya kufanya usafi? |
28 | MuffinMegain indray manamafy: | MuffinMegain anaeleza kwa msisitizo: |
29 | Hankalaza ny Andron'i Mandela ao amin'ny Zoo Lake izahay hanampy amin'ny fanadiovana ny tontolom-piaraha-moninay! | Tutakuwa tukisherehekea Siku ya Mandela siku ya Jumapili pale kwenye Zoo ya Lake na tutakuwa tukisaidia kufanya usafi katika jumuiya yetu! |
30 | Mpamaham-bolongana iray ao amin'ny Bolongan'ny fanantenana no nanambara fa tsy tokony ho androm-pialan-tsasatra velively ny Andron'i Mandela: | Mwanablogu katika Hope Blog anasema kwamba tuamue kuifanya siku ya Mandela kuwa Siku ya Mapumziko: |
31 | Afa-mahavita zavatra miavaka kely ny tsirairay amintsika ka ny ezaka itambarantsika no tena afa-manova tokoa an'izao tontolo izao. | Kila mmoja wetu anaweza kuleta tofauti chanya, hata kama ni kidogo, na tukiweka zote hizo pamoja tunaweza kweli kuleta mabadiliko ulimwengui. |
32 | Tsy androm-pialan-tsasatra ny Andron'i Mandela - fa andro iasantsika rehetra miaraka. | Siku ya Nelson Mandela siyo siku ya mapumziko - ni siku ambayo sisi sote hatuna budi kuungana na kutenda. |
33 | Andao hifanampy hizara ny vinan'i Nelson Mandela ho amin'ny ampitso tsaratsara kokoa, hiasa amin'ity faran'ny herinandro ity, ary hiresaka momba izany ao amin'ny takelaka Facebook antsika. | Tusaidiane katika kueneza ndoto ya Nelson Mandela ya baadaye iliyo bora kwa wote, shiriki katika shughuli fulani mwisho wa juma hili, na utueleze kuhusu shughuli hiyo kupitia ukurasa wa Facebook. |
34 | Mila aingam-panahy ve? vonona hizara ny ezaka nataony ho an'i Nelson Mandela ao amin'ny Facebook ihany koa ny tsirairay amin'ny ekipanay, ary indreto ny hevitra 67 amin'ny hanovana izao tontolo izao. | Je, unataka kutiwa matumaini? Wafanyakazi wetu watakuwa wakijitolea juhudi zao kwa ajili ya Nelson Mandela hata kupitia ukurasa wa Facebook, na hapa kuna fikra 67 za namna ya kuubadili ulimwengu. |
35 | Toy izao indray ny ataon'ny mpanofa tany [fermiers] any Stellenbosch, Afrika Atsimo, ny fankalazana ny andron'i Mandela: | Hivi ndivyo wafanyakazi wa mashambani huko Stellenbosch, Afrika ya kusini, watakavyoienzi Siku ya Mandela: |
36 | Nifandrisika hanapitra ny 67 minitra ho an'izay vonona ny mpanofa tany amin'ny alahady, ho fankalazana ny Andro iraisampirenen'i Mandela. | Wafanyakazi wa mashambani wametoa wito kwa watu wa kujitolea kufanya nao kazi kwa dakika 67 siku ya Jumapili katika kusherehekea Siku ya Kimataifa ya Nelson Mandela. |
37 | Nanokana sombintany ho an'ny vehivavy tsy manana asa ny “Vehivavy Mpanofa Tany”, mba hahazoan'ireo voatonona voalohany mitondra sakafo eo an-databany. Ny tanjona moa dia ny hanalefahana ny fanavakavakana ara-pananahana eo amin'ny sehatrasa fambolena sy fiompiana. | Kundi la “Wanawake walio Mashambani” limetenga kipande cha ardhi kwa ajili ya wanawake wafanyakazi wasio na ajira, wakiwapa fursa ya kupata chakula kidogo cha kuweka mezani. |
38 | Mpamaham-bolongana Tanzaniana, Simba Deo, no mampivoitra ny lanjan'ny fahafoizantena: | Kusudi la vuguvugu hilo ni kupunguza ubaguzi wa kijinsia katika sekta ya kilimo. |
39 | Amin'ny alalan'ny fanomezana no handraisana Amin'ny fanolorana fitiavana no handraisana fitiavana | Mwanablogu wa nchini Tanzania, Simba Deo, anasisitiza thamani ya kujitoa sadaka: |
40 | Amin'ny fahafoizantena no ahafoizan'ny hafa ny tenany ho antsika Ny fahafoizantena ho an'ny hafa no lakilen'ny filaminana, fampandrosoana maharitra, fampivelarana ny fahafahana sy ny rariny. | Ni katika kutoa ndiyo tunapokea Katika kupenda ndiyo tunapendwa Katika kujitoa sadaka ndiyo na wengine wanajitoa sadaka kwa ajili yetu Kujitoa sadaka kwa ajili ya wengine ni ufunguo wa kuendeleza amani, kuendeleza maendeleo, kuendeleza uhuru na haki. |
41 | Ny mifanohitra amin'izany kosa moa dia mankamin'ny fitadiavana fanandratan-tena. | Kinyume cha kufanya hivyo ni kujitafutia utukufu binafsi. |
42 | Na inona na inona ataontsika dia ataontsika am-pinoana izany ary ho an'ny mpiara-bolona rehetra fa tsy ho amin'ny lazan'ny tena manokana. | Kwa chochote tunachofanya, tukifanye kwa sababu tunaamini katika kitu hicho, na kwamba ni kwa ajili binadamu wenzetu na wala si kwa ajili ya kujitafutia utukufu binafsi. |
43 | Dorin sy ny Fokon'ny Bush Mpiady kosa mitaky antsika hanaja ny andron'i Mandela amin'ny alalan'ny fiarovana ny fiainan'ny bibidia sy ny tontolo iainana: | Dorin na the Bush Warriors Clan wanatutaka kumuenzi Mandela kwa kulinda wanyama pori na misiti na mazingira: |
44 | Tsy ho an'ny olombelona ihany fa mihoatra izany ny zavatra tena mahavariana vitan'i Nelson Mandela, satria maro ihany koa ny vitany ho an'ny fiainan'ny bibidia (biby tsy fiompy) sy ny tontolo iainana koa. | Mambo makubwa aliyofanya Nelson Mandela yanapita welewa wa binadamu wengi, maana amefanya mambo mengi kwa ajili ya viumbe pori na mazingira vilevile. |
45 | Tahaka ny nofinofiny momba ny zon'olombelona ihany dia nanofinofy momba ny voary dia afrikana mivondrona ao anaty filaminana manerana ny firenena maro ihany koa izy. | Kama ilivyokuwa kwa ndoto zake kuhusu haki za binadamu, Nelson Mandela pia alikuwa na ndoto kuhusu maisha ya viumbe kwenye mapori ya Afrika ili viumbe hao waunganishwe kwa amani katika nchi nyingi. |
46 | Hoy izy indray maka tamin'ny mpanao gazetin'ny National Geographic, Peter Godwin, “Nofiko ny mba hilaminan'i Afrika amin'ny tenany…Nofiko ny fahatontosan'ny fitambaran'i Afrika, ary manambatra ny heriny ny mpitondra ao aminy hamaha ny olan'ity kaontinanta ity. | Aliwahi kumwambia mwandishi wa habari wa National Geographic, Peter Godwin, “Nina ndoto ya Afrika iliyo katika amani yenyewe kwa yenyewe … ninaota ndoto ya kuwezekana kwa muungano wa Afrika, ambapo viongozi wake wataunganisha juhudi zao ili kutatua matatizo yanayolikabili bara hili. |
47 | Nofiko ny fidadasiky ny tany hay, ny alantsika, ny halehiben'ny fiainana tsy nofehezin'olombelona. | Ninaota juu ya majangwa makubwa, juu ya misitu yetu, ya maisha yote yanayoendelea kwenye nyika na mapori yetu. |
48 | Tsy tokony adinoina velively fa andraikitsika ny miaro io tontolo iainana io. | Tusisahau kamwe kwamba ni wajibu wetu kulinda mazingira haya. |
49 | Ny fametrahana vala iraisana an-tsisintany (frontières) no lalana ahafahantsika manao izany.” | Ni kupitia mbuga za wanyama zinazovuka mipaka ya nchi kwamba tunaweza kufanikisha jambo hilo. |
50 | Efa nentinay ho anareo ny drafitrasany hiarovana ny Elefantan'ny faritra atsimon'i Afrika amin'ny alalan'ny fametrahana toerana manokana ho an'ny Elefanta. | Hivi karibuni tuliwaletea habari ya mpango wake wa kuokoa tembo wa Afrika ya Kusini kwa kuanzisha Kumbi (penu/njia) za Tembo. |
51 | Amin'ny alalan'ny fidiran'ny fifandaminany an-tsehatra, ny Peace Parks Foundation, miaraka amin'ingahindriana Richard Branson, Mike Humphries, ary ny Virgin no hahatontosa izany nofinofiny izany hivaingana tokoa | Ni kupitia ushiriki wake katika asasi yake ya the Peace Parks Foundation (Taasisi ya Mbuga za Wanyama za Amani), pamja na ile ya Sir Richard Branson, Mike Humphries, na Virgin Unite kwamba ndoto hiyo itatimia na kuwa kweli. |
52 | Misy moa ny antsoina hoe “Mivoy bisikileta ho amin'ny andron'i Mandela” - vondrona mpanamory bisikileta (sy soavaly vy?) miisa 21 (miaraka amin'i Morgan Freeman) izay teo amin'ny andro fahaenina teny an-dalana manodidina ny tanànan'i Le Cap hiresadresaka momba ny Andron'i Mandela. | Pia kuna “Bikers for Mandela Day” (Waendesha Pikipiki kwa Ajili ya Siku ya Mandela) - kundi la waendesha pikipiki 21 (pamoja na Morgan Freema) ambao wapo katika safari ya siku sita kuizunguka Cape Town ili kusambaza ujumbe wa Siku ya Mandela. |
53 | Raha mbola tsy resy lahatra ianao dia mba jereo kosa indray ary ity fanentanana ataon'ny Zokiolona (Mpitondra teo aloha maro) ity. | Na kama bado hujashawishika, hebu tazama wito huu mtamu wa kutoka The Elders |
54 | Hoy i Madiba tamin'ny fitsidihana iraisam-pirenena farany indrindra notontosainy tany Londres, Jona 2008: | Madiba alisema katika safari yake ya mwisho kabisa ya kimataifa kule Landani, Uingereza, mwezi Juni 2008: |
55 | Izao no fotoana ho an'ny taranaka ho avy hanohizana ny tolona hanoherana ny tsy rariny ara-piarahamonina sy ho amin'ny zon'ny olombelona rehetra kosa. | Sasa ni wakati wa vizazi vya sasa na vijavyo kuendeleza mapambano yetu dhidi ya utovu wa haki na kwa ajili ya haki za binadamu wote. |
56 | Eo ampelatananareo izany. | Mapambano hayo sasa yapo mikononi mwenu. |