# | mlg | tur |
---|
1 | Antso Hanaovana Tolo-kevitra – Famatsiam-bola Fanavaozana Ny Tranombokim-Bahoaka EIFL | Öneriler için Çağrı – EIFL Kamu Kütüphanesi İcat Bursu |
2 | Asaina ny tranom-bokim-panjakana sy ny tranom-bokim-piarahamonina ao amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana na efa miarin-doha ara-toekarana hisoratra anarana amin'ny fifaninanana Tetikasa Mitondra Hevi-baovao hoan'ny Tranom-bokim-panjakana(EIFL-PLIP). | Gelişmekte olan ülkelerin kamu kütüphaneleri EIFL'ın Kamu kütüphaneleri icat bursu (EIFL-PLIP)‘na baivurmaları için davet ediliyor. |
3 | Hamolavola tolotra mampiditra fomba fiasa vaovao mampiasa ny TIC (teknlojian'ny informatika sy ny fifandraisana) hamaliana ireo filàn'ny ankizy sy ny tanora ao amin'ny fiarahamonina misy azy ireo. | Seçilen projeler ICT'nin çocuk ve gençlerin ihityaçlarına yönelik olarak ödüllendirilecektir. |
4 | Afaka mametraka tolo-kevitra mitentina hatramin'ny 20.000 dolara amerikana farafahabetsany ny mpisoratra anarana. | Katılımcılar $20,000'a kadar bursa başvurabileceklerdir. |
5 | Ny tetikasa dia tokony: | Proje şartları: |
6 | Raha mila fanazavana fanampiny, tsidiho azafady ny habaky ny EIFL raha te-hahafantatra ny volavolam-pandaniana azo fidiana, fomba fifantenana, ny fandaharam-potoana ary ireo paipaika madinika hampahombiazan'ny nisoratra anarana, mbamin'ny zavatra hafa ihany koa. | Ayrıntılı bilgi için, lütfen EIFL internet sitesini ziyaret ediniz . |
7 | Amin'ny 31 Janoary 2014 ny fara-fisoratana anarana. | Son katılım tarihi 31 Ocak, 2014. |