# | mlg | tur |
---|
1 | Sary Mahavaky Fo Mampiseho Ireo Toerana Mana-tantara Taloha sy Taorian'ny Horohorontany | Nepal'in Miras Sit Alanlarının Deprem Öncesi ve Sonrası Hâlleri |
2 | Tsangambato Manatantara taorian'ny horohorontany tao amin'ny kianjan'i Kathmandu Durbar. | Deprem sonrası Katmandu Durbar Yapıları'ndaki tarihi anıtlar. |
3 | Sary avy amin'i Image by Ajaya Manandhar. | Görüntü: Ajaya Manandhar. |
4 | Copyright Demotix (25/4/2015) | Telif Hakkı: Demotix (25/4/2015) |
5 | Namoizana aina maherin'ny 7000 ary naratra avo roa henin'izany ny horohorontany izay namely an'i Nepal tamin'ny 25 Aprily. | 25 Nisan günü Nepal'e vuran deprem 7,000 hayat aldı ve iki katı kadar insanı yaraladı. |
6 | Olona 8 tapitrisa no niharan'ny horohorontany ka 2 tapitrisa farafahakeliny ireo nafindra toerana. | En az 2 milyonu evinden olan toplamda 8 milyon kadar insan zarar gördü. |
7 | Ankoatra ireo olona niharam-boina sy fananana simba an'arivony tapitrisa, nanimba ireo tsangambato malaza manerantany ihany koa ny horohorontany - maro amin'izy ireo no Vakoka Iraisampirenena. | Deprem, ölümler ve milyarları bulan mülk hasarlarının yanısıra, birçoğu Dünya Miras Sit Alanı olan dünyaca ünlü eserleri de harap etti. |
8 | Nilaza tamin'ny Fikambanan-gazety ny lehiben'ny UNESCO Irina Bokova fa “mahavaky fo” ny mahita ny fahasimban'ny fangaron'ny Hindoisma sy ny Bodisma manavaka an'i Nepal. | UNESCO Başkanı Irina Bokova, Associated Press'e, Nepal'in kendine özgü Hinduizm ve Budizm harmanının yıkımını görmenin “içler acısı” olduğunu belirtti. |
9 | Niditra aterineto ireo mpiserasera media sosialy mba handefa ny sarin'ireo tsangambato lehibe sy toerana manan-danja taloha sy taorian'ny horohorontany . | Sosyal medya kullanıcıları başlıca anıtların ve önemli sit alanlarının önce-sonra görüntüleri paylaştılar. |
10 | Simba tanteraka ny kianjan'i Durbar telo ao amin'ny Lohasaha Kathmandu - Kianjan'i Kathmandu Durbar, Kianjan'i Patan Durbar ary ny Kianjan'i Bhaktapur Durbar- ka mila an-taonany maro ny fanavaozana ireo tempoly fahagola. | Katmandu Vadisi'ndeki üç durbar yapısının -Kathmandu Durbar Yapısı, Patan Durbar Yapısı ve Bhaktapur Durbar Yapısı- gördüğü hasar restorasyonun yıllar süreceği bir boyutta. |
11 | Mahavaky ny foko ity. | Bu benim içimi acıtıyor. |
12 | Kianjan'i Basantapur Durbar, iray amin'ireo toerana manan-tantara ao Nepal, taloha sy taorian'ny hovitrovitry ny tany. | Basantapur Durbar Yapısı, Nepal'in tarihi yerlerinden birisi, önce ve sonra. |
13 | TALOHA/TAORIANA. Mpanjaka Yoga Narendra Malla, Kianjan'i Patan Durbar | ÖNCE/SONRA: Kral Yoga Narendra Malla, Patan Durbar Yapısı |
14 | Iray amin'ireo tempoly ao Bhaktapur taloha sy taorian'ny horohorontany. | Depremden önce ve sonrasında #Nepal‘in Bhaktapur'daki tapınaklarından birisi. |
15 | Nalaina roa herinandro lasa ny sary | İlk fotoğraf iki hafta önce çekilmişti. |
16 | Namboarin'ny praiminisitra voalohany, Bhimsen Thapa tao Nepal i Dharahara, fantatra ihany koa amin'ny hoe tilikambon'i Bhimsen . | Bhimsen Kulesi olarak da bilinen Dharahara, Nepal'in ilk başbakanı Bhimsen Thapa tarafından inşa edilmişti. |
17 | Nirodana tamin'ny horohorontany tamin'ny 1934 ny tilikambo rihana 13 tamin'izany. | Bir zamanlar 13 katlı minare olan kule, 1934'te depremde yıkılmıştı. |
18 | Nohavaozina indray ho tilikambo minaret rihana 9, ary rava indray tamin'ny horohorontany tamin'ny volana lasa | 9 katlı bir kule olarak tekrar inşa edildi, geçen ay yaşanan depremde yıkıldı: |
19 | Diso ilay taloha sy taoriana hafa fa ity no tena izy. | Diğer önce-sonra fotoğrafı yanlıştı ama bu değil. |
20 | Tilikambon'i Dharhara, taloha, taoriana, taloha, taorian'ny fihovotrovotry ny tany | Dharhara Kulesi: önce, sonra, önce, sonra #NepalQuake |
21 | Nahitana fahasimbana ihany koa i Swayambhunath, fantatry ny vahiny amin'ny hoe Tempoly Rajako. | Yabancıların Maymun Tapınağı olarak bildiği Swayambhunath da hasar gördü: |
22 | Moanina mandeha eo anoloan'ny monasitera sy toerana masina nirodana ao Swoyambhunath Stupa, Toerana Vakoka Iraisampirenen'ny UNESCO | UNESCO Dünya Miras Sit Alanı olan Swoyambhunath Stupa'da bir keşiş yıkık manastır ve türbelerin arasında yürüyor. |
23 | Tazana mahatalanjona ao Swoyambhunath, antsoina koa hoe tempoly Rajako. | Maymun Tapınağı olarak da bilinen Swoyambhunath'ın muteşem görüntüsü. |
24 | Nanjary dongon-tany ny iray amin'ireo tempoly tsara indrindra manamorona ny Renirano Bagmati, tempoly Kalmochan. | Bagmati Nehri yakasındaki en güzel tapınaklardan biri olan Kalmochan Tapınağı yerle bir oldu: |
25 | Kalmochan ao Kathmandu, Nepal. | #Kathmandu, #Nepal‘deki Kalmochan. |
26 | Iray amin'ireo ankafiziko, Manahoana | Favorilerimden biri. Günaydın |
27 | Nirodana ny tempoly Kalmochan namboarin'i Jang Bahadur tao Thapathai tamin'ny endrika Mugha, mbola mijoro kosa i Garuda | Thapathali'deki Jang Bahadur tarafından Babür stili inşa edilen Kalmochan Tapınağı yıkıldı, sadece Garuda ayakta. |
28 | Rava tanteraka ihany koa i Sankhu, toerana fahagola malaza eo amin'ny mpanao fivahiniana masina Swasthani Bratakatha. | Swasthani Bratakatha hacıları arasında ünlü eski bir yerleşim yeri olan Sankhu da büyük kayıp gördü. |
29 | Niharan'ny horohorontany ihany koa i Sankhu, toeram-ponenako ao Nepal, tena mahavaky fo, sary teo aloha sy taty aoriana | #Nepal‘de yaşadığım yer #Sankhu idi. Depremin acısını o da çekti, üzücü, önce ve sonra. |
30 | Niharan'ny fahasimbana goavana ihany koa ny faritra manodidina ny tempoly Changu Narayan, Vakoka Iraisampirenena kilometatra vitsy monja miala avy ao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu. | Katmandu Vadisi'nin birkaç kilometre ötesindeki Dünya Miras Sit Alanı, Changu Narayan Tapınağı çevresindeki alan da büyük hasar gördü. |
31 | Changunarayan, te ho any aho, toa mahafinaritra. | #changunarayan, o kadar orada olmak istiyorum ki. |
32 | Nandrava azy ny horohorontanin'i Nepal | Bakın nasıl güzel. Deprem mahvetti. |
33 | Mbola mijoro i Changunarayan, saingy misy fahasimbana betsaka ny toerana. | Changunarayan biraz hasarla ayakta duruyor, ama bir hayli hasar aldı. |
34 | Mila fanavaozana | Restorasyon gerek. |
35 | Rava tanteraka i Khokana, tranom-bakoka momba ny kolontsaina Newar. | Nawar Kültürü açık müzesi Khokana geniş çaplı yıkım geçirdi. |
36 | Nepal Mahafinaritra! nalaina androany maraina tao Khokana! | Güzel Nepal! Bu sabah Khokana'ya tıkladım! |
37 | Mitondra am-pitandremana ireo zanak'osy roa manerana ny tanàna rava ao Khokana ao Nepal i Sameer | Sameer iki yavru keçisini Khokana #Nepal‘deki yıkık mahallesinde taşıyor. |
38 | Tratra ihany koa i Bungamati, toerana tranainy tao Newar. | Eski bir Newar yerleşim yeri olan Bungamati de zarar gördü. |
39 | Mahavaky fo! | İçler Acısı! |
40 | Tempoly Bungmati: Teo aloha sy taty aoriana | Bungmati Tapınağı: Önce ve Sonra |
41 | Ravan'ny riaka tanteraka taorian'ny horohorontany ny tanànan'i Langtang, toerana akaiky indrindra ao am-pofoan'ny Himalaya ao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu ary toerana ankafizin'ireo mpitsangatsangana. | Katmandu Vadisi'nde Himalayalar'ın eteklerine en yakın yer ve doğa yürüyüşçülerinin gözde mekânlarından birisi olan Langtang Köyü deprem sonrası oluşan bir çığ sonrası tamamen yıkıldı. |
42 | Tanànan'i Langtang, ao Nepal, teo aloha sy taorian'ny horohorontany tamin'ny 25 Aprily | 25 Nisan depremi öncesi ve sonrası Langtang Köyü |
43 | Tao anatin'ny foiben'ny horohorontany i Barpak, vohitra kely miavaka ao amin'ny distrikan'i Gorkha. | Gorkha bölgesindeki güzel küçük bir köy olan Barpak depremin dış merkeziydi. |
44 | Rava tanteraka ihany koa ny tanàna, fonenan'ireo mponina Ghale - malaza amin'ny herim-pony sy ny asa fanompoana ny tafika Britanika, Indiana ary Nepaley. | İngiliz, Hint ve Nepal ordularına yaptıkları yiğitlik ve hizmetleriyle bilinen Ghale halkının evi olan köy, tamamen yıkıldı. |
45 | Mahatorovana fo ny mahita ireo sarin'i Barpak taloha manoloana ny faharavana ankehitriny noho ny horohorontany | Deprem sonrası yıkımını düşününce #Barpak‘ın eski fotoğraflarını görmek iç burkuyor. |
46 | Namela marika tsy mety vonoina ao Nepal ny horohorontany. | Deprem, Nepal'de izi silinmeyecek bir yara açtı. |
47 | Ho antsoina hiasa amin'ny fikojakojana izay sisa tavela ireo manam-pahaizana amin'ny fampitaovana sy ny olona manatalenta manokana amin'izany. | Ayakta kalanı elde tutmak için profesyonel donanım ve profesyonel vasıflı insan gerekecek. |
48 | Na dia eo aza ny faharavana sy ny fahasimbana, tsy very fanantenana amin'ny fanorenana indray ireo tsangambato sy ny toerana manatantara ny Nepaley | Yıkım ve tahripe rağmen, Nepalliler tarihi anıtları ve sit alanlarını yeniden inşa etmek için umutlarını yitirmediler. |
49 | Shashi Raj Pandey, ohatra nisioka hoe: | Örneğin Shashi Raj Pandey, tweetledi: |
50 | Ahitana fanantenana lehibe eo amin'ny vahoaka, sy [fikofokofohana] avy any amin'ny fasana hankany amin'ny nofy hanorina indray. | İnsanlarda sağlam bir umut varlığı ve yeniden inşa etmek için mezara gömülen hayâllerden dönmenin çaresizliği var. |