# | mlg | zhs |
---|
1 | Afghanistan : Atrikasa voalohany amin'ny fitorahana blaogy tao Kabul | 阿富汗:首次博客工作坊 |
2 | Nahatontosa ny atrikasa voalohany teo amin'ny tantaran'izy ireo ny Fikambanan'ny Mpitoraka Blaogy ao Afghanistan [Afghan Association of Blog Writers] (Afghan Penlog) rehefa nisedra tsy fahampian'ny vola sy ny herin'aratra. | 阿富汗博客写手协会克服财政困难与电力短缺等阻碍,举办史上首次博客工作坊,这项活动于4月3日至4日举行,并与两位当地活跃的博客Nasim Fekrat及Masoumeh Ebrahimi[波斯文]合作。 |
3 | Tamin'ny 3-4 Aprily no natao tao Kabul io atrikasa io niaraka tamin'i Nasim Fekrat sy Masoumeh Ebrahim [Fa], mpitoraka blaogy mavitrika avy any Afghanistan. | 12名教师、记者与作家学习建立文字、影像、照片型态的博客,以及部分实用技巧,如怎么使用RSS等 |
4 | Mpanao gazety, mpampianatra ary mpanoratra 12 no nianatra ny fitorahana blaogy an-tsoratra, amin'ny horonan-tsary, an-tsary sy ny fomba maromaro toy ny fampiasana fahana RSS. Blaogy maro amin'ny teny Dari, Pashtou ary Anglisy no nisokatra rehefa vita ny atrikasa. | 到工作坊尾声,已有好几个帕施图语(Pashto)、达利语(Dari)和英语博客成立。 |
5 | “Naharay fanontaniana betsaka avy amin'ny mpianatra ao amin'ny Oniverite ao Kabul sy mpanao gazety izay mikasa hianatra mitoraka blaogy aho, fa mbola sakana lehibe ny tsy fahampian'ny vola. ” hoy i Fekrat. | Fekrat表示:「许多喀布尔大学学生与记者都向我询问,想学习写博客,但钱仍是主要问题」,Fekrat已开始计划举办第二届工作坊,因为还有很多可以分享学习的东西。 |
6 | Efa mieritreritra hanao atrikasa hafa moa i Fekrat fa mbola betsaka no hifampizarana sy ampianarina. | Nasim Fekrat协助带领工作坊 |
7 | Izao no nolazain‘i Nasim Fekrat [Fa] : Tena nilaina mihitsy ity traikefa ity. | Nasim Fekrat表示[波斯文]: |
8 | Nianatra zavatra betsaka aho. Mpanao gazety, mpanoratra, mpampianatra ary olona hafa afaka mampivoatra ny kolotsaina sy ny saina ao amin'ny fiarahamonina ao Afgahnistan no betsaka tamin'ny mpandray anjara tamin'ity atrikasa ity. | 今次经验非常值得,我学习到许多,多数参与者是记者、学者、作家等,能协助让阿富汗广大社会内的文化与知识分子复苏,举办如此工作坊一直是我的一大目标,终于拜Geomap和Masoumeh Ebrahimi之赐,让一切成真了。 |
9 | Tanjona efa nokatsahiko hatry ny ela ny fikarakarana atrikasa toy izao. | 阿富汗公民运动博客有报导与更多照片 |
10 | Noho ny fanampiani Geomap sy Masoumeh Ebrahim dia tanteraka ihany izany nony farany. | Manzarra在工作坊中学会成立博客,他提到如何使用网络促进言论与媒体自由。 |
11 | Misy sary sy tatitra hafa ao amin'ny Civil Movement of Afghanistan. | 记者Mokhtar Pedram与我们分享[波斯文]他的经验: |
12 | Ny fampiasana ny aterineto hampandrosoana ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety no resahin‘i Manzarra, nianatra nitoraka blaogy tamin'io atrikasa io. Zarain‘i Mokhtar Pedram [Fa], mpanao gazety, amintsika kosa ny traikefany : | 我原本很害怕进入网络与博客的世界…也许是因为技术障碍,但这一天半的活动改变我的看法…如果说我所有关于网络的问题都在这两天一扫而空,也太过夸张,但我确实因此决定开始建立博客,也证明这两天活动效果有多好。 |
13 | Natahotra ihany aho ny hiditra amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy amin'ny aterineto. Angamba olana tamin'ny lafiny teknika. | Safeh表示[波斯文],博客在阿富汗是个新东西,学界与教师都才刚开始接触。 |
14 | Fa nanova ny fijeriko ity atrikasa nandritra ny iray andro sy tapany ity … Tsy afaka hiteny aho hoe voavahan'izay roa andro izay daholo ny olako amin'ny aterineto, fa nanapa-kevitra aho hanokatra blaogy, izay no manaporofo ny fahombiazan'ity atrikasa ity. | |
15 | Zava-baovao ao Afghanistan ny fitorahana blaogy, hoy i Safeh [Fa], ary izay ny mpampianatra vao nianatra izany. | Zartosht提到[波斯文],像这样的工作坊,可能是阿富汗斯坦新闻界最重要的一步。 |
16 | Ny atrikasa toy izao, hoy i Zartosht [Fa] angamba no dingana lehibe indrindra amin'ny fanaovan-gazety ao Afghanistan. | 校对Portnoy |